Nandritra ny lanonana natao tao amin’ny « Centre spécialisé Mahamasina » no nanoloran-dRamatoa Mialy Rajoelina ny mari-pankasitrahana sy fitaovana ho enti-miasa ho an’ireo 30 mirahavavy nianjadian’ny herisetra (VBG).
Nisalotra ny anarana FANDRESENA ireto andiany navoaka ny 04 oktobra 2021 ireto, rehefa nanaraka fiofanana nandritra ny iray volana. Taranja maromaro no nampianarina ka anisan’izany ny fampivoarana ny maha-olona, ny fitantanana amin’ny fomba tsotra, ny fandrindram-piterahana, ny fampiofanana arak’asa toy ny zaitra, ny petakofehy, ny nahandro sy ny fanamboarana mofo mamy. العاب بوكر اون لاين
Notolarana tosika fanombohana (kits de démarrage) hoentina miasa avy hatrany ireo mpiofana mba ahafahany mihary sy mamelon-tena. Nanolotra solosaina ho an’ny ivo-toeram-panofanana ihany koa ny Orinasa Huawei, hiofanan’ireo mpisehatra amin’ny informatika. إلعب واربح
Dinam-piaraha-miasa teo amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa miaraka amin’ny fikambanana FITIA sy ny mpiara-miombon’antoka UNFPA no nahazoana izao vokatra izao.
« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
©️ SCOM METFP/Octobre 2021