Vatsiana fitaovana hoenti-mampiofana ireo ivontoeram-panofanana eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa.
Izany no natao hoy Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, dia ho fanomezan-danja bebe kokoa ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, ary fitondrana vahaolana eo amin’ny lafiny fampitaovana mba hifanentana amin’izay takian’ny tsenan’asa ny kalitaom-panofanana.
Fitaovana informatika, fandrahoana, ho an’ny tao-zaitra sy ny tao-trano no natolotry ny Minisitra ho an’ny LTP sy CFPF Tolagnaro ary ny LTP Ampasy Nahampoana. لعبة بوكر
Maro ny tanora liana amin’ny fanofanana ao amin’ny faritra Anosy, satria miisa 260 no nisitraka fianarana asa fototra (apprentissage aux métiers de base), amin’ny sehatry ny tao-zaitra, fandrafetana biriky, informatika, fanaovana mofomamy, ary « carrelage ». Naharitra telo volana izany fanofanana izany teo anivon’ny LTP sy CFP Tolagnaro, ka tonga nanolotra mari-panofanana ho azy ireo Ramatoa Minisitry ny ETFP. موقع مراهنات المباريات
Nandrisika ireo tanora ny tenany mba hazoto hampitombo hatrany ny fahaiza-manao, satria izy ireo no antoky ny fampandrosoana. ماهي لعبة الروليت
« Olo mahay raha tsy very mandeha »
©️SCOM METFP/ Mai 2022