♻✅Tontosa ny Alakamisy faha 24 novambra 2022 ny fitokanana amin’ny fomba ofisialy ny Ivon-toeram-panofanana BIOCOM (Biodiversity Conservation and Sustainable Natural Resource Management for Integrated Community Development in Natural Parks of Madagascar) ao Ranopiso Faritra Anôsy.
🎯🎯Tonga nanome voninahitra ny lanonam-pitokanana izao fotodrafitrasa izao Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa notronin’ireo delegasiona avy ao amin’ny METFP, teo koa ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Taolagnaro sy ny Governora ny Faritra Anôsy.
➡➡Porofo manamarika ny fisokafan’ny Ministera amin’ireo mpiara-miombon’antoka izao fahavitan’ny CFP izao ary tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny UNESCO sy ny Korea International Cooperation Agency (KOICA) mpamatsy vola ny tetikasa
⭐Isan’ny sangany eto Ranopiso ity CFP ity ary miisa telo ireo sampam-panofanana hita ao: Energie renouvelable (Système voltaïque), Informatique, hisy ihany koa ny fanentanana ireo mpisitraka ny fanofanana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny harem-pirenena ao an-toerana ( Parc Andohahela).
👉Ny volana desambra 2022 moa dia efa hanomboka ny fiofanana. Tanjona apetraky ny Ministera sy ireo ratsa-mangaika rehetra ao aminy ny fampivoarana ny fahaiza-manaon’ireo tanora ao amin’ny Faritra mba hisitrahan’izy ireo asa mendrika sy velon-tena.
🙏Tsiahivina fa ny tany nanorenana ny CFP BIOCOM dia avy amin-dRamatoa Ben’ny Tananan’ny Kaominina ambanivohitra Ranopiso.
“Olo mahay raha tsy very mandeha”
© CELCOM METFP / novambra 2022