🔴 Ao anatin’ny fandinihana ny fanavaozana ny rafi-pampianarana teknika (réforme curriculaire) mihitsy ny minisitera ankehitriny, ka ampifanarahana izany amin’ny vanim-potoana ankehitriny sy ny fivoaran’ny teknolojia. Nandritra ny fihaonany tamin’ireo iraky ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny Frankofonia (OIF) tarihin-dRamatoa Mona Laroussi androany maraina tao amin’ny birao fiasany no nanazavan-dRamatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY izany asa goavana atao izany.
🔴 Resy lahatra ary naneho ny fahavononany hanohana avy hatrany ny OIF, indrindra amin’ny fametrahana ireo rindram-baikona fandaharam-pianarana sy fiofanana na amin’ny aterineto na ivelan’ny aterineto, izany hoe azon’ny tanora mpianatra ampiasaina ihany koa na tsy misy « connexion » aza tahaka ny efa hita miparitaka any ivelany ankehitriny.
🔴 Ankoatra izay dia manana ny tetikasa « INSER’JEUNE » ny roa tonta, dia ny fanarahamaso ny fifanojoan’ny asa misy sy ny fiofanana omena ny tanora amin’ny alalan’ny rindram-baiko amin’ny aterineto. Nilaza Ramatoa minisitra fa tsy nahaafa-po ny fomba nitondrana ny tetikasa teo aloha satria tsy nisy fiantraikany loatra tamin’ireo tanora tokony ho niantefany kanefa lany ny famatsiam-bola tamin’izany. Ka noho izany dia nanao soso-kevitra izy mba haverina hodinihina ny fomba hanatanterahana ny tetikasa mba tena hisy vokany mivantana any amin’ny tanora malagasy. Nanaiky an’izany ny OIF ka nampanantena hitady vahaolana avy hatrany.
🔴 Samy mbola vonona hanohy ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny sehatry ny fanofanana arak’asa ny andaniny sy ny ankilany ka hanarina ireo tsy nety teo aloha.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”