Tontosa ny marainan’ny zoma faha 20 novambra 2020 ny lanonana fitokanana ny Trano INFOPRO, ny Amphithéâtre Al Haj Abdul Momin ary ny “Salle de recherché Al Haj Roshan Jamil” tao amin’ny Centre Rassoul Akram (saw) Antaniavo Antohomadinika. Tonga nanome voninahitra izao fotoana izao Atoa TSIKEL’IANKINA Ernest, Ministry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa, Atoa Filoha Tale Jeneralin’ny CRA ary ireo mpikambana ao amin’ny Association CRA. Tafiditra amin’ny fanatanterahana ny vina sy ny velirano faha 4 sy faha 6 nataon’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny lanonana anio araka ny nambaran’Atoa Ministra tamin’ny lahateniny: “ny fanapariahana ny ivon-toeram-panofanana isam-paritra – ny fampiroboroboana ny asa mendrika ho an’ny rehetra”. Toa izao fotodrafitr’asa izao dia vokatry ny finiavana sy fandraisan’andraikitry ny Association AKBARALY, ary indrindra ho fitsinjovana sy fanofanana ireo tanora, olona marefo sy sahirana ara-pivelomana eo amin’ny faritra manodidina ny Centre. العاب تجني منها المال Mbola hiparitaka manerana an’i Madagasikara izao fanorenana fotodrafitr’asa izao. لعبة اون لاين
#VELIRANO_4
#VELIRANO_6
#ASSOCIATION_AKBARALY
#METFP_CRA
“Olo-mahay raha, tsy very mandeha”
(c) SCOM/METFP