Nidina ifotony nijery ny asa vita tao anatin’ny 20 andro tamina fokontany vitsivitsy tao anatin’ny boriboritany faharoa ireo delegasiona avy amin’ny FID izay notarihin’ny Tale Jeneraly sy ny mpiara-miasa aminy, ny Lefitra faharoan’ny Ben’ny tananan’Antananarivo Renivohitra ary ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, notarihin’ny Tale Jeneraly sy ireo mpiara-miasa aminy.
Fokontany Andohanimandroseza, Ambohipo ary Avatr’Ankatso no notsidihana tamin’izany. مال مجاني Fanajariana zaridaina manodidina ny EPP Ambohipo, fanamboarana ny lalan-kely vita amin’ny « béton » sy tetezan-kazo, ireo no asa nataon’ireo mpisitraka maherin’ny 216 avy eo amin’ireo fokontany ireo sy ny manodidina.
Nitombo ny fahaiza-manaon’ireo olona mpisitraka ka afaka mampitombo ny fivelomany izy ireo ao aorian’izao Asa Avotra izao. Tsiahivina fa ny Asa Avotra dia natao mba hahafahan’ireo vondron’olona marefo ara-pivelomana misitraka asa ka ahazoany tambin-karama hivelomany. كازينو عربي Mifototra amina sehatr’asa maro lafy izy io ka raha ny eto Antananarivo Renivohitra dia mahatratra hatrany amin’ny 142 ireo toerana havaozina sy hasim-panajariana. ربح الاموال
« Olo-mahay raha, tsy very mandeha »
©️ SCOM METFP