Nametraka ny fanabeazana sy ny fampianarana ho sehatra manan-danja tanteraka ny fitondram-panjakana, porofon’izany ireo fanatanterahana ireo Velirano roa – 4 sy 6 – amin’ny alalan’ny ireo fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana.
Hanohizana izany ezaka izany, dia manatanteraka fikaonan-doha nationaly eny amin’ny CCI Ivato, ny 01 sy 02 ny volana Aogositra, ireo Ministera telo misahana ny fanabeazana : ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa; ny Fanabeazam-pirenena ary ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa.
Tanjona amin’izao fikaonan-doha izao ny hamolavolana ny Dina enti-manova ny fanabeazana, izay mifanindry an-dalan amin’ny Tanjon’ny Fandrosoana Lovainjafy izay napetraky ny firenena mikambana. سباق الخيل
Mandritra izao roa (02) andro hanatanterahana ny fikaonan-doha nasionaly ho an’ny fanovana ny rafi-panabeazana eto amin’ny CCI Ivato izao kosa, dia hifantoka amin’ny lalan-kevitra miisa (05) dimy lehibe ny dinika :
- Sekoly mampiaty, miralenta, azo antoka sy madio
- Fampianarana sy fahaiza-manao hiatrehana ny fiainana, ny asa ho an’ny fampandrosoana lovain-jafy.
- Ny tontolon’ny mpampianatra, ny kalitaom-pampianarana sy ny asa fampianarana. بلاك جاك كازينو
- Fampianarana nomerika sy haitao vaovao
- Fampiakarana ny famatsiam-bola ho an’ny fanabeazana.
Aorian’izao fikaonan-doha izao no hamoahana ny Dina hoentina any amin’ny Fihaonambe iraisam-pirenena ho an’ny fanovana ny rafi-panabeazana, izay andraisan’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA anjara.
« Olo-mahay raha, tsy very mandeha »
©️ CELCOM-METFP/Août 2022