Fihaonan’ny mpiara-miombona antoka tamin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa

Fihaonan’ny mpiara-miombona antoka tamin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa

Fihaonan’ny mpiara-miombona antoka tamin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa

Nanazava ny vina sy nandresy lahatra ny mpiara miombona antoka ny amin’ny fomba hanatsarana ny fampianarana teknika sy ny fanofana arak’asa ny Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, androany 06 febroary 2024. Manoloana ny olana goavana sedrain’ny fampianarana tekinika sy ny fanofanana arak’asa dia miantso ireo mpiara-miasa izy hifanome tanana amin’ny fanamby sy ny ezaka goavana miandry.

Isan’ny olan’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ny tsy fifanojoan’ny tolotr’asa sy ny fanofanana norantovina. Tsy mahavaly ny fepetra takin’ny orinasa matetika ny tanora vao nahavita fianarana, na manana diplaôma aza. Ankilany, simba tanteraka, tsy nisy fanamboarana, ny fotodrafitrasa eny anivon’ny sekoly. Mianatra amina trano tsy misy tafo ny mpianatra sasany. Sarotra ny iheverana ny fahombiazan’ny fampianarana amin’izany zava-misy izany.

Teboka dimy lehibe no navoitra tao anatin’izany :

  1. Fanavaozana ny programa sy firafitry ny fampianara (Réforme curriculaire);
  2. Fitarihana sy fampidirana amin’ny sehatry ny matihanina (orientation et insertion professionnelles);
  3. Fanavaozana ny fotodrafitrasa;
  4. Femetrahana toeram-piofanana ho an’ny daholobe sy toeram-pikotrehina matihaninana (incubation professionnelle);
  5. Fitrandrahana ny tontolon’ny nomerika amin’ny alalan’ny MOOC (Massive Online Open Courses).

Marobe ireo mpiara-miombona antoka no efa naneho avy hatrany ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy Fanofanana arak’asa, hitondra fanavaozana sy fanajarana ny sehatra ity.

Hitohy amin’ny fifampidinihana tsirairay amin’ireo mpiara-miombona antoka efa naneho ny fahavononany hifanome tanana izao fihaonana izao, mba hirosoana avy hatrany amin’ny fanatanterahana ny fiaraha-miasa mahomby.

“Olo mahay raha, tsy very mandeha”

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle