Noraisin-dRamatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ny Talen’ny tetikasa PERER, Carlos Miro sy ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny GIZ Madagasikara ny zoma faha 10 novambra 2023.
Niompana tamin’ny fampidirana ny fiofanana momba ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro eny amin’ny lysea teknika eto Antananarivo sy any Toliara ny fihaonana. Tena manan-danja tokoa izany eo amin’ny tontolon’ny fampiharana ny Tetikasa PERER (Programa Fanabeazana angovo azo havaozina), mikendry ny fanavaozana ny fampianarana teknika mba hamaliana ireo fanamby ankehitriny amin’ny fanodinana ny angovo.
Nisy ary ny famelabelarana ny Tetikasa PERER ka isan’ireo nasongadina ny tanjony sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiofanana ara-teknika. Notsindrian’ny Tale ny maha zava-dehibe ny fanentanana ny taranaka sy ny tanora amin’ireo olana mifandray amin’ny angovo azo havaozina, indrindra fa ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro, izay mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampihenana ny entona mandatsa-dranomaso.
Ho fanatanterahana izany ary dia nisy ezaka lehibe natao tamin’ny famolavolana programam-panofanana manokana momba ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Tanjona ny fampitaovana ireo lysea teknika sy ny fanofanana ireo mpampiofana amin’ny teknolojian’ny momba ny angovo azo avy amin’ny masoandro.
Naneho ny fanohanany tamin-kafanam-po tamin’ity hetsika ity Ramatoa Minisitra. Nohamafisiny ny maha zava-dehibe ny fanomanana ny tanora amin’ny asa ho avy sady mandray anjara amin’ny fivoaran’ny sehatry ny angovo eto amin’ny firenena. Nanantitrantitra ny maha zava-dehibe ny fampidirana angovo azo havaozina ao anatin’ny fandaharam-pianarana any an-tsekoly ny tenany.
Ny fitsidihana moa dia nahafahana nifanakalo hevitra mikasika ny fomba hanatsarana ny fanatanterahana ny Tetikasa PERER, indrindra amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny METFP sy ny tetikasa. Nisy ihany koa ny fifampidinihana lalina momba ny fitaovana ilaina amin’ny fampandehanana ny fanofanana, anisan’izany ny fanohizana ny fanofanana ny mpampianatra sy ny fanomezana fitaovana fampianarana manara-penitra.
« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
© CELCOM METFP/ novambra 2023
Se former en énergie solaire grâce au projet Perer
Le 10 novembre 2023, la Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella a reçu le Directeur du Projet PERER, Monsieur Carlos Miro et ses collègues de la GIZ Madagascar.
La rencontre de ce jour s’est focalisée sur l’intégration des formatons en énergie solaire dans les lycées techniques et professionnels à Antananarivo et Toliara. Cela revêt une importance cruciale dans le cadre de la mise en œuvre du Projet PERER (Programme d’Éducation aux Énergies Renouvelables), visant à moderniser l’enseignement technique en vue de répondre aux enjeux contemporains de la transition énergétique.
Une présentation du Projet PERER, mettant en lumière ses objectifs et son impact prévu sur la formation technique a été faite lors de cette entrevue. Le Directeur a souligné l’importance de sensibiliser les jeunes générations aux enjeux liés aux énergies renouvelables, en particulier à l’énergie solaire, qui joue un rôle indispensable dans la réduction des émissions de gaz à effet de serre.
A cet effet, des efforts considérables ont été déployés pour développer des programmes de formation spécifiques en énergie solaire. Ces derniers visent à doter les lycées techniques des outils et des connaissances nécessaires pour former les apprenants aux technologies solaires émergentes.
Madame la Ministre, quant à elle, a exprimé son soutien enthousiaste pour cette initiative. Elle a souligné l’importance de préparer la jeunesse aux métiers d’avenir tout en contribuant à la transition énergétique du pays. La Ministre a également évoqué la possibilité d’élargir le programme à l’ensemble du système éducatif, soulignant l’importance de l’inclusion des énergies renouvelables dans le cursus scolaire.
La visite a permis d’échanger des idées sur la manière d’optimiser la mise en œuvre du Projet PERER, notamment en renforçant la collaboration entre le METFP et le projet. Des discussions approfondies ont également eu lieu sur les ressources nécessaires pour assurer le succès de l’initiative, y compris la formation continue des enseignants et la mise à disposition d’équipements pédagogiques de pointe.
« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
© CELCOM METFP/ novembre 2023