Tao aorian’ny fahatongavan-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa tao Mahajanga anio 27 jolay 2023 dia avy hatrany dia nitsidika ny Écoles du Monde ny tenany sy ireo delegasiona niaraka taminy.
Izao fitsidihana izao moa dia tohin’ny fihaonana teo amin-dRamatoa Ministra sy ny Governoran’ny Faritra Boeny ny 05 jolay 2023, izay mifototra indrindra amin’ny fananganana Lysea Teknika miompana amin’ny seha-pihariana fambolena ho fitsinjovana ireo tanora ao Boeny.
Ao amin’ny Écoles du Monde Besely Mahajanga no kasaina ho atsangana io lysea teknika io ka izay indrindra no anton’izao fidinana ifotony notanterahin’ny Ministra tompon’andraikitra izao.
Nisy araka izany ny dinik’asa notanterahina teo amin-dRamatoa Ministra, ny Governora sy ny manam-pahefana ao an-toerana, ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, ireo mpandraharaha ao amin’ny Écoles du Monde sy ireo rantsa-mangaika rehetra ao ifotony.
Nandritry ny fitsidihana moa no namaritana ireo tetikasa ahafahana mametraka ny lysea teknika ka nisy ny fijerena ny toerana. Samy resy lahatra na ny Ministera na ny Governora na ireo isan-tsokajiny avy ny amin’ny maha zava-dehibe ny fisian’io fotodrafitrasa io satria ny tanjona dia izay ahafahan’ireo tanora ao an-toerana miampita makany amin’ny fiofanana hisitrahana asa avy hatrany. Ny sekoly rahateo moa dia hatreo amin’ny “troisième” ihany ka isany manampy sy manome tosika ireo tanora izao tetikasa izao.
Araka ny vinavina dia hiompana tanteraka amin’ny seha-pihariana fambolena ny lysea teknika ka ny vokatra toy ny legioma sy ireo vokatra natoraly tsy misy fangarony (Bio) no tena imasoana ka eritreretina ho afaka hifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena toy ny ao Mayotte sy La Réunion izay nosy akaiky an’i Mahajanga.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ jolay 2023
Visite de l’Ecoles du Monde à Besely Mahajanga
A peine arrivée dans la région Boeny, la Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, accompagnée de sa délégation a procédé à la visite de l’Ecoles du Monde sise à Besely Mahajanga le 27 juillet 2023.
En effet, cette visite fait suite à la rencontre de Madame le Ministre et le Gouverneur de la région Boeny le 05 juillet dernier, se focalisant sur la mise en place d’un Lycée Technique et Professionnel agricole dans l’enceinte du collège Ecoles du Monde.
En tant que Ministre de tutelle et première responsable, la Ministre de l’ETFP a tenu à effectuer une descente sur les lieux afin de voir de visu toutes les modalités de mise en place de cette nouvelle infrastructure qui va assurer le continuum éducation-formation au bénéfice des jeunes.
Grâce à ce nouveau Lycée Technique à vocation agricole, les jeunes de la localité, mais aussi des Communes environnantes pourront accéder à une formation technique menant à l’employabilité. Ainsi, l’objectif principal est de permettre à la région Boeny d’approvisionner l’île de Mayotte et celle de La Réunion en produits bio tels que les légumes.
Une discussion entre les parties prenantes (METFP, Gouverneur, autorités locales, parents d’élèves, personnel de l’école) dudit projet a clôturé cette visite.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ juillet 2023