Fitsidihana ny Kianja MAKI Andohatapenaka

Fitsidihana ny Kianja MAKI Andohatapenaka

Fitsidihana ny Kianja MAKI Andohatapenaka

Ho tohin’ny fandraisana ireo mpilalao baolina lavalava teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha niarahana tamin’ny Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA, dia tonga nitsidika ny kianja Maki Andohatapenaka ireo Ministra mpiahy ny taranja baolina lavalava sokajy vehivavy sy lehilahy, (Rugby à 7 sy Rugby à 15), ny 12 mey 2023.

Araka izany dia nidina ifotony Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Andriamatoa Ministry ny asa, ny fampananan’asa, ny lalàna sosialy ary ny Talen’ny kabinetran’ny Ministeran’ny mponina mba hijery ireo hifanampiana amin’ny Federasiona mba hahatomombana ny fifanintsanana amin’ny Championnat d’Afrique ny 20 mey ho avy izao sy ny fiatrehana ny lalaon’ny nosy. Hisy ny fandraisana an-tanana manokana ireo mpilalao rehetra mandrafitra ny ekipam-pirenena eo amin’ny taranja Rugby hiatrika ny fifanitsanana.

Nivoitra nandritra ny fitsidihana ny fifanomezan-tanana eo amin’ny lafiny fampitaovana ny ekipa, ny fampanaraham-penitra ny fotodrafitrasa toy ny kianja filalaovana sy ny fikarakarana ny bozaka. Eo koa ny fitondrana vahaolana amin’ny famatsiana jiro sy rano ary ny fanomezana tosika hampazoto ny ekipa.

Tanjona ny handresen’ny ekipam-pirenena sy ny hahazoany toerana hiatrehana ny Championnat d’Afrique sy ny Jeux des îles de l’Océan Indien.

“Olo mahay raha tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ Mey 2023


Visite du stade MAKI Andohatapenaka

Faisant suite à la distribution de distinction honorifique aux athlètes malagasy effectuée par le Président de la République, Andry RAJOELINA, les Ministres coach du rugby Malagasy (Rugby à 7, Rugby à 15) sont venus visiter le stade Maki Andohatapenaka le 12 mai 2023.

Ainsi, Madame VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionneelle, Monsieur le Ministre du Travail, de l’Emploi et des Lois Sociales et le Directeur de Cabinet du Ministère de la Population ont effectué une descente sur les lieux.
La rencontre avec la Fédération a permis de mettre au point les besoins en terme d’infrastructures tels que la normalisation du terrain et l’entretien du gazon. En réponse aux problèmes rencontrés en eau et électricité, les coachs ont apporté leur contribution afin que tout soit opérationnel. Quant à l’équipement des 28 joueuses, une prise en charge sera effectuée par les coachs également. Il est à noter que Madagascar jouera pour une qualification au Championnat d’Afrique le 20 mai et se préparera aux Jeux des îles de l’océan indien très prochainement.

L’objectif étant la qualification pour le Championnat d’Afrique et de briller lors des Jeux des îles de l’océan Indien.

“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ mai 2023

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle