Madagasikara no mandray ny andiany faha 11 amin’ny lalaon’ny nosy ato amin’ny faritry ny Ranomasim-be Indiana (JIOI) amin’ity taona 2023 ity. Notanterahina ny zoma faha 25 aogositra 2023 tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonam-panokafana amin’ny fomba ofisialy ny lalaon’ny nosy.
Maherin’ny 4000 ireo atleta avy amin’ny nosy La Réunion, Maurice, Mayotte, Maldives, Seychelles, Comores ary Madagasikara no nilatro nandritry fanokafana ity lalao iraisam-pirenena ity.
Tonga nanome voninahitra ny fanokafana ny JIOI, andiany faha 11 ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy Ramatoa vadiny Mialy RAJOELINA, notronin’ireo Filoham-pirenena telo mirahalahy dia ny Filohan’ny Nosy Comores sady filohan’ny vondrona Afrikana, ny Filohan’ny Nosy Maurice ary ny Filohan’ny nosy Seychelles.
Teo ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta toa an-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella.
Nisehom-boina anefa ny lanonana ka avy hatrany dia nitondra ny teny fampiononana ireo fianakaviana mana-manjo ny Filoham-pirenena nandritry ny lahateniny ary noraisin’ny fitondram-panjakana an-tanana avokoa ny fikarakarana ireo niharam-boina.
Tsy nanadino ny nanentana ny vahoaka malagasy ny Filoha mba hiatrika izao lalaon’ny nosy izao am-pifaliana sy anaty firaisan-kina ary fifanajana tanteraka.
© CELCOM METFP/ aogositra 2023
JEUX DES ILES DE L’OCEAN INDIEN A MADAGASCAR 11ème EDITION
Madagascar abrite la cérémonie officielle d’ouverture des JIOI s’est tenue le vendredi 25 août 2023 au stade Barea Mahamasina.
Plus de 4 000 athlètes venus de l’île de la Réunion, de Maurice, de Mayotte, des Maldives, des Seychelles, des Comores et de Madagascar ont participé à la parade lors de la cérémonie d’ouverture.
Le président Andry RAJOELINA et son épouse Mialy RAJOELINA sont venus honorer l’ouverture des JIOI. Également présents à cette cérémonie, les présidents des îles voisines, entre autres le président des Comores qui est aussi le président du Groupe Africain, le président de l’île Maurice et le président de l’île des Seychelles.
Les membres du gouvernement, dont la ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, ont aussi répondu présent à cet événement d’envergure.
Cependant, la cérémonie a été assombrie. Lors de son discours, le président de la République a immédiatement adressé des mots de condoléances aux familles endeuillées, et le gouvernement a pris en charge les soins des victimes.
Le président n’a pas oublié d’exhorter le peuple malagasy à participer aux JIOI dans la joie, l’unité et le respect mutuel.
© CELCOM METFP/ août 2023