Medaly 272, no norombahan’i Madagasikara ka nahazoany ny laharana voalohany tamin’ny andiany faha 11 amin’ny lalaon’ny nosy ato amin’ny faritry ny Ranomasim-be Indiana.
- 🥇121 medaly volamena
- 🥈 71 medaly volafotsy
- 🥉 80 medaly alimo.
Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy ny 03 septambra 2023 tao amin’ny kianja Barea Mahamasina ny lalaon’ny nosy. Tonga nanome voninahitra izany ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy Ramatoa vadiny, Mialy RAJOELINA.
Anisan’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta nanotrona ny famaranana ny lalaon’ny nosy ihany koa ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella.
Naneho fisaorana feno an’ireo atleta malagasy ny Filoha nandritry ny lahteniny ary noderainy manokana ireo ezaka sy vokatra azon’izy ireo. Niaina tanaty firaisan-kina, firaisam-po ary niara-nientana ny malagasy mpiray tanindrazana nandritra izay 10 andro izay.
Nisy ihany koa ny famindrana ny fanilon’ny Lalaon’ny Nosy ka ny nosy Comores no handray ny andiany faha 12 amin’ny taona 2027.
© CELCOM METFP/ septambra 2023
Cérémonie de clôture de la 11ème édition des jeux des îles
Avec un record de 272 médailles, Madagascar se positionne en première place aux Jeux des îles de l’Océan Indien.
- 🥇121 médailles d’or
- 🥈71 médailles d’argent
- 🥉80 médailles de bronze
La cérémonie de clôture officielle de ces Jeux des îles s’est tenue au stade Barea Mahamasina le 03 septambra 2023. Le Président de la République, Andry RAJOELINA et Madame la Première Dame, Mialy RAJOELINA ont honoré de leur présence l’événement.
Également présente à cette clôture des JIOI, la Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella.
Lors de son allocution, le Président Andry RAJOELINA a remercié les athlètes malagasy d’avoir honoré et protégé l’honneur national. Les compatriotes malagasy ont vécu dans l’unité et dans la solidarité durant ces 10 jours.
La cérémonie a été aussi le moment de se dire au revoir et de passer le drapeau aux îles des Comores, qui abritera la 12ème édition des Jeux des îles en 2027.
© CELCOM METFP/ septembre 2023