La délégation de l’Agence Française de Développement (AFD) est venue rendre visite à Madame VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, dans le cadre d’une mission du siège sur le Fonds Commun de l’Education (FCE), le 22 juin 2023. La délégation de l’UNICEF etait également présente à cette visite. Étant parmi les bailleurs contribuant à ce fond, ces deux entités ont fait un état de la mise en œuvre du dispositif de FCE et ont présenté également un constat sur ses avancés pour le domaine de l’enseignement technique et de la formation professionnelle.
Lors de cette rencontre, l’AFD a présenté la nouvelle Responsable Équipe Projet Division Education – Formation Professionnelle qui est Madame Suvi Mellavuo-Bonnet.
Madame le Ministre a souligné sa volonté de travailler avec les deux autres Ministères en charge de l’éducation afin de réaliser la vision et les objectifs partagés.
“Olo-mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ juin 2023
Fihaonana tamin’ireo delegasiona avy amin’ny AFD sy ny UNICEF
Tonga nitsidika an-dRamatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ireo delegasiona avy amin’ny Agence Française de Développement (AFD) izay mamita iraka ifotony, ny 22 jona 2023. Nanotrona azy ireo koa ny delegasiona avy amin’ny UNICEF izay ao anatin’ireo vondrona ao amin’ny firenena mikambana mpisehatra ao anatin’ny Fonds Communs de l’Education (FCE). Io fihaonana io dia nanoloran’ny AFD ny tompon’andraikitra vaovao izay misahana ny fanabeazana sy ny fanofanana arak’asa dia Ramatoa Suvi Mellavuo-Bonnet.
Nivoitra nandritra io fihaonana io ihany koa ny fampiasana ny FCE sy ireo zava-bita amin’ny fampiasana azy. Resy lahatra ny telo tonta fa io rafitra io dia antoka manatsara sy mampahomby ny lafiny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa.
Nomarihan-dRamatoa Ministra hatrany moa ny fahavononany hiara-hiasa amin’ireo Ministera rahavavy izay misahana ihany koa ny fampianarana sy ny fanabeazana ho fanatrarana ireo vina sy tanjona hiaraha-manana.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ jona 2023