⬆️⬆️ »Mampiofana mba ahazoana asa mendrika », io no lohahevitra noraisina amin’ity « Salon de la Formation et des Métiers Artisanaux » andiany faharoa ity, tontosaina eny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina, izay nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 8 septembre ary aharitra hateloana.
✅✅Miara_misalahy amin’ny fanatanterahana ny hetsika ny avy amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa, sy ny Ministeran’ny Asa tanana sy Hai_tao ary ireo mpiara_miombon’antoka isan_karazany. العاب لربح المال الحقيقي Fanamby iraisan’ny Ministera roa tonta ny fampivoarana ireo mpisehatra amin’ny asa tanana amin’ny alalan’ny fanomezana fanamarihan_traikefa(valorisation des acquis de l’expérience) ho azy ireo. قوانين البوكر
📝📝Trano heva miisa 56, ahitana ivotoeram_panofanana, lysea teknika, mpanao asa tanana no mandrafitra ity fampiratiana ity. موقع البوكر
▶️▶️Tanjona ny anehoana mivantana ireo fampiofanana amin’ny sehatra isan_karazany eny amin’ny CFP, LTP, ireo institut misy eto amin’ny faritra Analamanga.
🎯🎯Nanambara ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa fa » izao hetsika izao dia mamaly tanteraka ny Velirano faha 4 sy ny Velirano faha 6 ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, dia ny fanomezana fampianarana ho an’ny rehetra sy fampiofanana ahazoana asa izay miteraka fidiram_bola ho an’ireo manaraka ny fiofanana. »
« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
©️ CELCOM METFP/ septembre 2022