Le lancement officiel de Seeds for the future Madagascar s’est tenu au Novotel Ivandry le 17 juillet 2023 en présence du Ministre du Développement Numérique, de la Transformation Digitale et des Postes, Monsieur Tahina RAZAFINDRAMALO, de la Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, Madame VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, du Directeur Général de Huawei Madagascar et du Directeur de Orange Digital Center.
Pour Madagascar, 32 étudiants venant des universités tels que ESP Diego, IST Diego, ESPA Vontovorona, MISA – Université d’Ankatso, ISCAM, INSCAE, ACEEM, Université de Vakinankaratra, ENI Fianarantsoa, Confucius d’Antananarivo ont été sélectionnés et auront la possibilité de suivre un programme de formation d’une durée de huit jours. Les participants à Seeds for the Future ont ainsi la possibilité d’échanger des connaissances et des idées sur le concours international Tech4Good. Ces étudiants seront assistés par des mentors professionnels pour monter leurs projets pour #TECH4GOOD, afin d’obtenir un financement allant jusqu’à 100.000 dollars.
Ils peuvent aussi partager leurs expériences, discuter des meilleures pratiques et s’inspirer mutuellement pour développer des projets Tech4Good plus percutants avec leurs pairs et des experts dans le domaine.
A noter que Tech4Good est un concours conçu pour aider les jeunes à découvrir les dernières tendances en matière de numérisation et à explorer les technologies numériques pouvant résoudre les problèmes sociaux courants.
Le concours vise à :
- sensibiliser les étudiants aux défis du développement durable local,
- encourager les étudiants à utiliser les compétences en TIC qu’ils acquièrent pour explorer des solutions à la fois techniquement et commercialement viables,
- aider les étudiants à transformer leurs rêves en réalité.
En intégrant Tech4Good dans le programme “Seeds for the Future”, Huawei tend à inspirer les jeunes talents vers la technologie pour un changement social positif et contribue à l’avancement de leurs communautés.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ juillet 2023
Seeds for the future Madagasikara
Notanterahina tetsy amin’ny Novotel Ivandry ny 17 jolay 2023 teo ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharam-piofanana Seeds for the future ho an’i Madagasikara. Lanonana izay natrehin’ny Minisitry ny fampandrosoana nomerika, ny fanovana nomerika ary ny paositra, Tahina RAZAFINDRAMALO sy ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, ny Tale Jeneralin’ny Huawei Madagascar sy ny Talen’ny Orange Digital Center.
Ho an’i Madagasikara dia mpianatra miisa 32 avy amin’ny oniversite toa ny ESP Diego, IST Diego, ESPA Vontovorona, MISA – Université Ankatso, ISCAM, INSCAE, ACEEM, Université Vakinankaratra, ENI Fianarantsoa, Confucius Antananarivo no voafantina hanaraka fandaharam-pampianarana maharitra valo andro. Mandritra io fotoana io dia hifanakalo fahalalana sy hevitra momba ny fifaninanana iraisam-pirenena Tech4Good ireo mpandray anjara ao amin’ny Seeds for the Future. Ireo mpianatra ireo dia hanana mpanoro hevitra izay hanampy azy ireo hanangana ny tetikasany amin’ny fifaninanana #TECH4GOOD, mba hahazoany famatsiam-bola hatrany amin’ny 100.000 dolara.
Afaka mifampizara ny traikefany ihany koa izy ireo, mifanoro hevitra amin’ny fomba fanao tsara indrindra sy mifanentana amin’ny famolavolana tetikasa Tech4Good, izay iarahana amin’ireo namany sy manam-pahaizana amin’ny sehatra.
Marihana fa ny Tech4Good dia fifaninanana natao hanampiana ireo tanora hahita ny fironana farany amin’ny nomerika sy hikaroka ny fomba hahafahan’ny teknolojia nomerika mamaha ny olana ara-tsosialy mahazatra.
Ny fifaninanana dia :
- mampahafantatra ny mpianatra ny olan’ny fampandrosoana maharitra eo an-toerana,
- mamporisika ny mpianatra hampiasa ny fahaiza-manao informatika azony hikaroka vahaolana izay mety ara-teknika sy ara-barotra,
- manampy ny mpianatra hamadika ny nofinofiny ho zava-misy.
Amin’ny fampidirana ny Tech4Good amin’ny programa “Seeds for the future”, Huawei dia mampisongadina ireo talentan’ny tanora eo amin’ny teknolojia mba hiteraka fiovana ara-tsosialy tsara ary mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny fiarahamoniny.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ jolay 2023