“Speed recruiting” teto amin’ny Ministeran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa

“Speed recruiting” teto amin’ny Ministeran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa

“Speed recruiting” teto amin’ny Ministeran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa

🔴 Nitazona ny teny nomeny ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa ny hanampy ireo tanora Malagasy amin’ny fanofanana azy ireo, hatrany amin’ny fidiran’izy ireo miasa. Dingana iray lehibe indray no vita androany zoma faha 23 febroary 2024 tamin’ny fanaovana ny “entretien d’embauche” (speed recruiting) handraisana hiasa ireo tanora nandray anjara tamin’ny fiofana andiany voalohany mahakasika ny aterineto (Métiers du web) nokarakarain’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa, teto Antanararivo.

🔴 Orinasa miisa fito misehatra amin’ny tontolon’ny aterineto, mpiara-miombon’antoka amin’ny Minisitera, no nandray ireo tanora miisa 200 nahazo fiofanana nandritra ity “Speed recruiting” ity. “Nanampy be dia be” ireo tanora, hoy ireto farany, “ny fahalalana azony nandritra ny fiofanana”, ary “nahafahan’ izy ireo niatrika” soa aman-tsara ity dingana fandraisana azy hiasa ity. Tetsy ankilany dia “afa-po” ireo orinasa amin’ny ankapobeny tamin’ny fahaizana ananan’ireo tanora ireo, ka nahatonga azy ireo hisafidy avy hatrany izay tanora tokony hanohy ny dingana manaraka amin’ny fandraisana azy ireo hiasa.

🔴 Nanamafy ny fisaorany ny minisitera ireo tanora ireo nandritra ny fitsidihana nataon’ny Minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa, Ramatoa #Lalatiana_RAKOTONDRAZAFY, ity “speed recruiting” ity androany zoma. Tetsy ankilany, nilaza ny Minisitra fa vonona hatrany hikatsaka izay hanampiana ireo tanora ireo amin’ny fanohizana sy fanapariahana ny fiofanana arak’asa mba hahatonga azy ireo ho vonona afaka handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena.

🔴 Ankoatra izay dia nisaotra ireo orinasa mpiara-miombon’antoka ireo koa izy, ary naneho ny fahavononan’ny minisitera ny hiara-hiasa hatrany amin’izy ireo mba ahafahan’ny tanora Malagasy manana asa mendrika, mifanaraka amin’ny vinan’ny Filoham-pirenena ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

« Olo mahay raha, tsy very mandeha »

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle