Ny talata faha 30 mey 2023 no nanatanteraka ny tatitra momba ny asa vita teo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, ny Ministra VAVITSARA Rahantanirina Gabriella teo anatrehan’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Christine RAZANAMAHASOA sy ireo Solombavambahoaka tao Tsimbazaza.
Ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa amin’ny adidy izay sahaniny dia miantoka ny fahafahan’ny olona rehetra mivoatra eo amin’ny fiainany amin’ny alalan’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa izay mamaly ny filan’ny faritra tsirairay avy hahafahana miditra eo amin’ny sehatry ny asa.
Araka ny toromarika nomen’ny Filoham-pirenena ihany koa dia atao tanjona ny fanomezana fahalalana sy fahaiza-manao ara-teknika, ara-kalitao ary manara-penitra. Noho izany ny asan’ny METFP dia miompana amin’ireo ary mantanteraka ny Velirano faha 4 “Fanabeazana ho an’ny rehetra” sy faha 6 “Asa mendrika ho an’ny rehetra”.
Ny zava-bita teo anivon’ny METFP no novoaboasan-dRamatoa Ministra. Mifototra amin’ny fanamboarana, fananganana, ary fanarenana trano fianarana ny ezaka natao. Isany nisongadina tamin’izany ireto manaraka ireto:
🎯Ny fanamboarana ireo “Centre de Formation Professionnelle de Référence” miisa dimy izay hita ao amin’ny distrikan’Ihosy, Tsihombe, Vatomandry, Bealanana ary Betafo. Afaka mandray mpiofana maherin’ny 600 ireo CFPR ireo ary manao ny ezaka rehetra ny Ministera amin’ny fampitaovana ireo CFPR ireo amin’izao fotoana izao.
🎯 Ny fanarenana ny efitrano ravan’ny rivodoza nifanesy izay niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka tao Mananjary.
🎯Ny asa fananganana ny fotodrafitrasa hanaovana ny « Centre de Formation Professionnelle d’Excellence » izay afaka mandray mpiofana any amin’ny 800 any ho any ary eto Antananarivo, Antsiranana, Fianarantsoa, Toamasina, Mahajanga ary Toamasina.
🎯Antoka iray hanatrarana ny tanjon’ny Ministera koa ny fanomezana fiofanana ho an’ny vahoaka mba hananany asa mahavelona ka maro ireo tanora, olon-dehibe, vehivavy nisitraka fiofanana tamina sehatr’asa maro lafy ka nanomezana fanamarinana nahavitana fiofanana.
🎯Tsy adino ary isan’ny manan-danja ho an’ny departemanta ny fanomezana fanofanana ho an’ireo olona marefo sy manana fahasembanana izay tsy azo avela ankilabao fa tokony hanana ny anjara toerany eo anivon’ny fiaraha-monina sy hisitraka asa to any olon-drehetra. Betsaka ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Ministera izay mifanome tanana hahatontosa izay.
🎯Notsindrin-dRamatoa Ministra ny fitsinjarana ny tetibola eo anivon’ny Ministera izay naparitaka isaky ny ivon-toeram-panofanana manerana ny nosy hahafahan’izy ireo miodina fa tsy miankin-doha amin’ny Ministera foibe.
🎯Raha ny mahakasika ny fandraisana mpiasam-panjakana indray dia efa nisitraka ny fifanarahana arak’asa ireo vakatera miisa 600 manerana ny nosy ary tao anaty mangarahara sy araka ny filan’ny faritra tsirairay avy no nanaovana ny fitsinjarana.
« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
© CELCOM METFP/ mey 2023
Rapport d’activité à l’Assemblée Nationale
Le mardi 30 mai 2023, La Ministre VAVITSARA Rahantanirina Gabriella a présenté le rapport des travaux réalisés du Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle à l’Assemblée Nationale Tsimbazaza. Madame la Présidente de l’Assemblée Nationale, Christine RAZANAMAHASOA et les Députés ont répondu présent à cette rencontre.
Le Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle est chargé de veiller à ce que toutes les personnes puissent s’épanouir dans leur vie grâce à un enseignement technique et une formation professionnelle qui répondent à leurs besoins dans chaque région, et ce dans le but d’accéder à un emploi décent.
Selon les instructions données par le Président, l’objectif est de fournir des connaissances et des compétences techniques, qualitatives et actualisées en faveur de la population. Par conséquent, le domaine d’activité du METFP se focalise sur ces objectifs et veille à la mise en application des Velirano 4 “Education pour tous” et Velirano 6 “Travail décent pour tous”, institués par le Président Andry RAJOELINA.
Les réalisations du METFP ont été présentées par Madame le Ministre. Les efforts déployés portent sur la construction et la réhabilitation des établissements d’enseignement technique et formation professionnelle. Les points saillants sont comme suit :
🎯La construction de cinq (05) « Centre de Formation Professionnelle de Référence » situés dans les districts d’Ihosy, Tsihombe, Vatomandry, Bealanana et Betafo. Ces CFPR peuvent accueillir plus de 600 apprenants et le Ministère met tout en œuvre pour équiper ces CFPR en ce moment.
🎯La reconstruction des établissements dévastés par les cyclones successifs à Mananjary, grâce à l’appui des partenaires techniques et financiers.
🎯 La construction des « Centre d’Excellence de Formation Professionnelle d’Excellence» pouvant recevoir 800 apprenants répartis sur les six ex-province dont Antananarivo, Antsiranana, Fianarantsoa, Toamasina, Mahajanga et Toamasina.
🎯Madame le Ministre a également souligné que le METFP met tout en œuvre afin que la population, notamment les jeunes et les femmes aient une formation. Plusieurs formations sur différents domaines ont été octroyées. Tout cela afin de garantir l’employabilité et l’autonomisation de chacun.
🎯 L’une des priorités du département est aussi de disposer de formation adéquates aux personnes vulnérables et en situation de handicap afin qu’elles ne puissent être marginalisé. Ainsi, de nombreux partenaires du Ministère s’entraident pour y parvenir.
🎯Madame le Ministre a également mis l’accent sur la répartition budgétaire au sein du Ministère qui a été décentralisé afin de rendre autonome les établissements d’ETFP.
🎯Quant au recrutement, 600 vacataires ont été recrutés dans toute l’île et la distribution de leur contrat de travail est en cours. Il est à noter que la répartition s’est faite de manière transparente et selon les besoins de chaque région.
« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
© CELCOM METFP/ mai 2023























