Dans la matinée du 31 août 2023, la délégation de France Education International (FEI) conduite par Monsieur Stéphane LOPEZ, Directeur du Département coopération en éducation est venue visiter la Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, Madame VAVITSARA Rahantanirina Gabriella.
Au cours de cette visite, les discussions ont été axées sur la coopération de FEI avec Madagascar notamment dans la mise en œuvre du projet Formapro BTP phase II, et dont le Centre National Emploi-Formation BTP (CNEF BTP) est le maître d’ouvrage délégué. Ledit projet vise à améliorer l’enseignement technique et la formation professionnelle ainsi que la qualification des ressources humaines dans le secteur du Bâtiment et Travaux Publics (BTP). FEI a aussi mis en exergue les enjeux du projet dans la formation des jeunes malagasy pour que leur employabilité soit facilitée.
Formapro BTP II est un projet de quatre années qui permet de :
- modifier les gestes professionnels des formateurs dans les lycées technique et professionnel,
- faciliter l’entrée sur le marché du travail avec des compétences adaptées aux critères requis par les entreprises.
« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
© CELCOM METFP/ août 2023
Fihaonana tamin’ny delegasiona avy amin’ny France Education International
Ny marainan’ny 31 aogositra 2023 no tonga nitsidika ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella ny delegasiona avy amin’ny France Education International (FEI), notarihin’Andriamatoa Stéphane LOPEZ, Talen’ny sampana fiaraha-miasa momba ny fanabeazana.
Niompana tamin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny FEI sy Madagasikara ny dinika tamin’ny roa tonta. Teo koa ny fanatanterahana ny tetikasa Formapro BTP II, izay ny Centre National Emploi-Formation BTP (CNEF BTP) no tompon’andraikitra amin’ny fampiharana azy. Tanjona amin’ity tetikasa ity ny fanatsarana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ary koa miantoka ny kalitaon’ny maha olona eo amin’ny sehatry ny fanorenana sy ny asa vaventy (BTP). Nohamafisin’ny FEI ihany koa ny antom-pisian’ny tetikasa amin’ny fanofanana ny tanora malagasy mba hanamora ny fahafahan’izy ireo miditra eo amin’ny tsenan’ny asa.
Ny Formapro BTP II dia tetikasa maharitra efa-taona izay ahafahana:
- manova ny fihetsika matihanina ataon’ny mpampiofana eny amin’ny lysea teknika sy arak’asa,
- manamora ny fidirana amin’ny tsenan’ny asa miaraka amin’ny fahaiza-manao mifanaraka amin’ny fepetra takian’ny orinasa.
« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
© CELCOM METFP/ aogositra 2023