Fankalazana ny 08 Martsa tao amin’ny ivon-toeram-panarenana ireo zaza

➡️Fanofanana hay nahandro, crêpe sy mofo baolina, ireo no nanokafan’ny Fitaliavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa Analamanga ny fankalazana ny andro iraisam-pirenana ho an’ny zon’ny vehivavy ny Talata 8 martsa 2022.

📌Tanora miisa105, ka 9 hatramin’ny 18 taona eo amin’ny ivon-toeram-panarenana ireo zaza mania PK18 Ambohidratrimo, no nisitraka izany fanofanana izany.

✅Natao indrindra izao fanofanana izao mba hananan’izy ireo fahaleovantena eo amin’ny fahaiza-mahandro, ary hananan’izy ireo asa velon-tena rehefa hivoaka izany ivon-toerana izany.

« Olo mahay raha tsy very mandeha »
©️SCOM METFP/ Mars 2022

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle