Ny fiaraha-miasa amin’ny kaominina Antsirabe Nord sy ny DRETFP SAVA dia nahafahan’ ireo tanora miisa 25, nisitraka fanofanana amin’ny fanamboaran-dalana rarivato.
Nandritry ny dimy (05) andro nitondran’ny LTP Sambava fanofanana ho an’ireo tanora, lalana 70m no efa vita ; ary mbola hitohy izany eto Antsirabe Nord.
Tanjona hoy Ramatoa Minisitra, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, ny hisitrahan’ireo tanora asa mahavelona satria izany no antoky ny fampandrosoana.
« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
©️SCOM METFP/Octobre 2021