Tso-drano ho an’ireo hiatrika ny fanadinana « Baccalauréat »

Ry Tanora , zandry , zanaka,

Mahatsiaro anareo manokana ny tenako amin’izao ankatoky ny fanadinana Baccalauréat izao.

Nianatra sy nilofo mafy Ianareo nandritra ny taom-pianarana. Tonga izao ny fotoana hiatrehana ny fanadinana sy hijinjana ny ezaka natao.

Manàna saina tony sy mifantoka eo am-pamakiana ny laza adina.
Mitsodràno anareo ho tafita soa amin’ny fanadinana, hiatrika indray ny tontolon’ny Fampianarana ambony sy ny tontolo arak’asa , hitondra endrika tsara ny Fampianarana Teknika izay namolavola anareo.

« Olo mahay raha ,tsy very mandeha »

VAVITSARA Rahantanirina Gabriella,
Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa.

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle