Mandray anjara feno amin'ny fampivoarana ny lafiny ekonomikan'i Madagasikara ny METFP amin'ny alalan'ny tolotra fanofanana omeny ny tanora.
Tanterahana ao Paris ny atrikasa hanamafisana ireo fiantraikan'ny fanofanana arak'asa miompana amin'ny sehatry ny nomerika.
Isan'ireo firenena afrikanina miteny frantsay miisa 10 miatrika izany i Madagasikara,amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa sy ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena. Mandritra io fotoana io no hikarohana vahaolana hanamafisana ny fiantraikan'ny fandaharan'asa fanofanana #DCLIC mba hanatsarana ny fahafahan'ny tanora mpianatra miasa avy hatrany.

