Isan'ireo zava-dehibe ho an'ny Fitaleavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak'asa eto Amoron'i Mania ny fitsidihana ireo ivon-toeram-panofanana sy Lisea Teknika, satria dia ireo no maha Minisitera ny Minisitera.
Anio faha 16 Febroary 2026 dia tonga teto amin'ny LTP Manandriana ny ekipan'ny Fitaleavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak'asa eto Amoron'i Mania.
Tonga nijery ireo olana sy ny fiainan'ny" Etablissement", nanara-maso ireo "plan d'action "izay narafitra tapa-bolana lasa izay no anton'ny fitsidihana. Nametrahana vahaolana avy hatrany ihany koa ireo olana efa nahitam-bahaolana toy ny (fanoratana ny tanin-tsekoly amin'ny METFP, fanaovana CHANTIER ECOLE ho an'ireo foto-drafitrasa ilain'ny sekoky) ary misy koa ireo olana tsy voavaha eo no eo fa mbola hitadiavam-bahaolana , ohatra : (ny tsy fisian'ny jiro sy rano, clôture.
Nandritra ity fotoana ity dia nisy ny fiarahana nanangan-tsaina tamin'ireo mpiofana ka nankaherezana azy ireo hilofo amin'ny fianarana. Nisy ihany koa ny fihaonana tamin'ireo mpiara-miasa nanomezana ny toromarika hiatrehana ny asa (tokony tsy ho variana amin'ny vokatra tsara ihany fa mila manao orientation ny mpiofana hiditra amin'ny sehatry ny asa ihany koa) ary fotoana ihany koa nahafahana nanao dinidinika. Fa anisany lehibe ny fahitana ny faritry ny sekoly ary tonga dia hiroso amin'ny fanoratana izany amin'ny Fitaleavam-paritra.
Tsikaritra ihany koa ny fahitana ireo CHANTIER ÉCOLE maro eto amin'ny LTP Manandriana (Bloc sanitaire, Jardinage,salle de classe sy ny panneau de visibilité).
"Olo mahay raha tsy very mandeha".

