Taorian'ny fandalovan'Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa tao Toamasina ny 16 Febroary lasa teo, dia nidina avy hatrany tany an-toerana ireo ekipa avy amin'ny Ministera foibe.
Nametraka drafitra iombonana araka izany ireo iraka avy amin'ny METFP sy ny DRETFP ary ny mpiara-miombon'antoka CNEF BTP, hahafahana manarina haingana ireo fotodrafitr'asa (LTP, CFP ary biraon'ny Fitaleavam-paritra) ravan'ny rivo-doza GEZANI. Tsara ny manamarika fa efa nisy fanampiana avy amin'ny Minisitera foibe nandritry ny fandalovan'Andriamatoa Minisitra ary mbola tohizany izany mba hiverenan'ny fampianarana avy hatrany.
Naneho ny fahavononany hanampy amin'ny ampahany ny fanarenana ny Bâtiment B ny CNEF BTP.

