Tonga nitsidika ary nanatanteraka dinika savaranonando tamin'Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa, TSILEFA Antonio ireo solontena avy amin'ny BNI Madagascar.
Niompana tamin'ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta ny fihaonana. Indrindra ny fanohanan'ny BNI ny METFP, amin'ny fampiharana ny sampam-piofanana fanabeazana momba ny fandraharahana (Éducation à l'entrepreneuriat), manerana ireo ivon-toeram-panofanana eto Madagasikara.

