Nandray ny Masoivohon'ny Vondrona Eoropeanina, Andriamatoa Roland KOBIA, ny Minisitra notronin'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa. Niompana tamin'ny fandaharan'asa "Fahaiza-manao ho an'ny rehetra" (Compétences pour tous) ny fihaonana.
Raha tsiahivina, ny fandaharan'asa dia natao hampiroborobo ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa, fa indrindra ny hanomezana vahana ireo vehivavy hahafahany mahazo asa mendrika sy hahaleo tena.
Ny taona 2024 no vita sonia ny fifanarahana ho famatsiam-bola ny fandaharan'asa, koa ankehitriny dia manao ny ezaka rehetra ny METFP amin'ny fampandehanana haingana ny tetikasa mba hahafahan'ny tanora sy ireo ivon-toeram-panofanana misitraka ny "Fahaiza-manao ho an'ny rehetra ".

