Tonga nitsidika an'Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa, TSILEFA Antonio ireo Tale misahana ny maha olona eo anivon'ny vondrona SOCOTA Madagasikara, izay ahitana ny orinasa SOCOTA Fabrics, ny COTONA (Cotonnière d'Antsirabe) ary COTTONLINE.
Nandritry izany no nanamafisan'ny SOCOTA ny fahavononany hiara-hiasa amin'ny METFP amin'ny fampiofanana ireo tanora eo amin'ny sehatry ny "Textiles - Habillements - Accessoires" (THA).

