Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny METFP sy ny fikambanana EauSoleil PACA, dia notokanana tamin'ny fomba ofisialy ny toby famatsiana rano fisotro madio amin’ny alalan’ny paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro (station de pompage d'eau photovoltaïque), ho tombontsoan'ny mponina manodidina ny LTP. Marihana fa atao toerana fampiharana na "plateaux techniques" avy hatrany ity fotodrafitr'asa ity, amin'ny fampiofanana ireo tanora.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana roa sosona ny Minisitry ny ETFP, TSILEFA Antonio, ny Talen'ny Kabinetran'ny MEAH, ny Lehiben’ny Faritra SAVA ary ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Sambava.
Aorian'izao fitokanana fotodrafitr'asa izao dia hisy ny fampiofanana ireo mpampiofana eo amin'ny sehatry ny fametrahana tambazotran-drano mampiasa ny herin'ny masoandro. Hisy koa ny ezaka ataon'ny fitondram-panjakana amin'ny fanavaozana sy fanitarana ny LTP Sambava.
#OloMahayRahaTsyVeryMandeha