Hiditra amin'ny andiany faha efatra ny fampiofanana ao anatin'ny FRAD na Formation de Réinsertion et d'Appui au Développement izay iarahan'ny DRETFP Vakinankaratra sy ny ENSOA Antsirabe.
Ny 09 Martsa hatramin'ny 10 Aprily izao no daty napetraky ny 2 tonta hanatontosana ny fiofanana izay miantefa amin'ireo mpianatra ao amin'ny ENSOA manatontosa Service militaire ao anatin'ny 2 taona ka natao indrindra izany ho fanampiana azy ireo hiatrika asa rehefa mivoaka ny ENSOA ka hiverina amin'ny fiainan'izy ireo andavanandro .
Araka izany mpianatra miisa 100 izy ireo no voakasik'ity andiany faha efatra amin'ny FRAD ity izay hotsinjaraina amin'ny lalam-piofanana miisa 5 dia ny: Ouvrage métallique,Ouvrage Bois, BTP , Électricité ary Plomberie .
Nihaona tamin'ny ekipan'ny ENSOA ny Talata 24 Febroary 2026 ny ekipan'ny DRETFP Vakinankaratra izay notarihin'Andriamatoa Talem-paritra nidinika ny fomba entina manatanteraka ny fiofanana.Taorian'ny fihaonana dia nisy ny fitsidihana ireo toeram-panofanana ato amin'ny ENSOA niarahan'ny rehetra nanatontosa izay nahitana tokoa ny hatsaran'ny kalitaon'ny sehatra ianarana ao an-toerana .
"Olo mahay raha tsy very mandeha

