MINISTERE DE L'ENSEIGNEMENT TECHNIQUE ET DE LA FORMATION PROFESSIONNELLE

"Olo mahay raha tsy very mandeha"

METFP

"Olo mahay raha tsy very mandeha"

𝗗𝗖𝗟𝗜𝗖 : 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗿𝗶-𝗽𝗶𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝘇𝘆 𝟯𝟬 𝗺𝗶𝗮𝗻𝗮𝗱𝗮𝗵𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗺𝗽𝗶𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮.

𝗗𝗖𝗟𝗜𝗖 : 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗿𝗶-𝗽𝗶𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝘇𝘆 𝟯𝟬 𝗺𝗶𝗮𝗻𝗮𝗱𝗮𝗵𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗺𝗽𝗶𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮.

Nifarana ny zoma lasa teo ny fampiofanana ireo mpampiofana avy amin'ireo Faritra dimy hisitraka ny tetikasa DCLIC (Antananarivo misy toerana roa, Antsirabe, Toamasina ary Toliara).
Tonga nanome voninahitra ny lanonam-pamaranana sy nizara ny mari-piofanana ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa, TSILEFA Antonio, notronin'ny Sekretera Jeneraly, ireo Tale Jeneraly ary tompon'andraikitra isan-tsokajiny avy ao amin'ny METFP.
Hanomboka avy hatrany ny fampiharana ny DCLIC eny anivon'ireo ivon-toeram-panofanana voakasika izany. Tsiahivina fa tanora hatrany amin'ny 1000 no hofanina ary ezahana ho vehivavy ny antsasamanilany mba hisian'ny miralenta.
#OloMahayRahaTsyVeryMandeha