Tao anatin'ny roa andro, ny 24 sy 25 febroary 2026 no notanterahina tao amin'ny Lycée Technique Antsirabe ny fanofanana ireo mpampiofana sy mpiasa birao ao an-toerana izay iray amin'ireo hetsika nentin'ny sekoly nanamarika ny fankalazana ny "journées des établissements" hoan'ity taona ity .
"Former aujourd'hui les bâtisseurs de l'enseignement technique de demain" io no lohahevitra nitondrana ny fiofanana. Araka izany dia natao izy ity ho fanamafisam-pahalalana ireo mpiasa rehetra eto amin'ny LTPA manoloana ny fihazakazaky ny teknolojia ankehitriny izay tsy azo iodivirana intsony toy ny fikirakirana ny Intelligence Artificielle sy ireo Applications numériques miompana amin'ny Fampianarana. Izany no natao dia mba hampifanarahana amin'ny fivoaran'ny vanim-potoana misy ankehitriny ny fanatontosana ny asa Fampianarana sy fikirakirana ny asa rehetra eto amin'ny LTPA .
Mpampianatra za-draharaha avy ao amin'ity sekoly ity ihany no nanolotra ny fiofanana ary nahatratra 53 mianadahy izy ireo no mpiofana nanaraka izany. Ireto avy moa ny modules nampianarina azy ireo :
- Responsabilités et missions des acteurs de la communauté éducative
- Pédagogie active
- Gestion du stress
- Communication non violente
- IA pour l'éducation
- Premiers secours
Nahitana solon-tenan'ny Minisitera foibe nifanotrona tamin'ny Proviseur LTPA sy ny Talem-paritry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak'asa eto Vakinankaratra nanolotra ny "Attestations" an'ireo mpiofana tao anatin'ny lanonana famaranana ny fiofanana . Nahitana an'Andriamatoa IANONA Innocent Tale eo anivon'ny Direction de l'innovation et du Développement Numérique sy Andriamatoa DECOPERTINO Inspecteur eo anivon'ny METFP.
"Olo mahay raha tsy very mandeha"

