Ao anatin'ny hetsika fankalazana ny andron'ny ivon-toeram-panofanana eo anivon'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa dia nisy lalao ara-panatajahan-tena nifanandrinan'ny mpampiofana sy ireo mpandraharahan'ny ivon-toeram-panofanana avy eto Analamanga.
Tonga nanatrika ary nanolotra ny amboara ho an'ireo ekipa mpandresy Andriamatoa Minisitra, TSILEFA Antonio sy tompon'andraikitra avy ao amin'ny METFP.

