Amin'izao ankatoky ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy izao, dia nanatanteraka tontolo andro iarahana ireo vehivavy ato amin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa.
Nitarika ny hetsika Ramatoa vadin'ny Minisitra, notronin-dRamatoa vadin'ny Sekretera Jeneraly ary ireo Tale vehivavy isan-tsokajiny avy.
Nomarihana tamin'ny fanaovana ny "zumba" ny hetsika androany ary taorian'izay dia nisy fiaraha-miala hetataheta, ho mariky ny firaisan-kina.
Mbola maro ireo hetsika amin'izao fankalazana eto Antananarivo izao ary ho faranana amin'ny diaben'ny vehivavy ny Alahady 08 martsa ho avy izao.

