Anaty fahavitrihana tanteraka no hiatrehan'ireo mpampiofana avy amin'ny DRETFP Analamanga sy ireo tompon'andraikitra ao amin'ny Fitaleavana misahana ny fanadinana (DEXAM), ny "Commission Inter-Régionale d'Elaboration et de Présélection des Sujets" (CIREPS) eto Analamanga.
Miisa 12 ireo foibe hanaovana ny CIREPS ho amin'ny taona 2026 dia Antsiranana, Sambava, Mahajanga, Ambatondrazaka, Fenoarivo Atsinanana, Toliara, Ambositra , Fianarantsoa, Antsirabe, Farafangana, Morondava ary Analamanga. Ho volavolaina mandritra izany ireo laza adina ho atolotra ireo tanora hiatrika ny fanadinana ahazoana ny BEP, ny CAP ary ny CFA.
Haharitra telo andro ny CIREPS ary nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy ny Tale Jeneralin'ny Fampianarana Teknika, notronin'ny Tale misahana ny Fanadinana ary ny Tale-paritra eto Analamanga.
#OloMahayRahaTsyVeryMandeha