Natomboka androany ny atrikasa ho fikaonandohan'ireo mpisehatra amin'ny fampiharana ny tetikasa Fahaiza-manao ho an'ny rehetra, izay vatsian'ny Vondrona Eoropeanina vola.
Tonga niatrika ny fivoriana ireo Fitaleavana isan-tsokajiny eto anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa niaraka tamin'ireo ekipa avy amin'ny Expertise France, Mpananteraka ny tetikasa. Aorin'izao dia hizara sokajy araka ny sahan'asany avy ireo Fitaleavana.
Ny tanjon'ny tetikasa Fahaiza-manao ho an'ny rehetra dia ny fanomezana lanja ny fanofanana arak'asa sy ny fampianarana teknika mba hisitrahan'ny tanora, indrindra ny vehivavy asa mendrika. Eo koa ny fampifanarahana ny tolotra fanofanana amin'ny filร n'ny tsenan'asa.

