MINISTERE DE L'ENSEIGNEMENT TECHNIQUE ET DE LA FORMATION PROFESSIONNELLE

"Olo mahay raha tsy very mandeha"

METFP

"Olo mahay raha tsy very mandeha"

𝗙𝗶𝗳𝗮𝗺𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮𝗺-𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻'𝗻𝘆 𝗠𝗘𝗧𝗙𝗣.

𝗙𝗶𝗳𝗮𝗺𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮𝗺-𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻'𝗻𝘆 𝗠𝗘𝗧𝗙𝗣.

Tontosa androany ny fifamindram-pitantanana teo amin'ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa teo aloha, TSILEFA Antonio sy ny Minisitra vaovao, Dr ANDRIAMAMPANDRY Todisoa Manampy.

Tao anaty firahalahiana tanteraka no nizotra ny lanonana, notronin'ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena ao Toliara sy ireo Solombavambahoaka avy amin'ireo ankolafin-kery samihafa.

Anisan'ireo teboka nisongadina tamin'ny lahatenin'Andriamatoa Minisitra ANDRIAMAMPANDRY Todisoa Manampy :  👉 ny fanomezana lanja ny fiaraha-miasa amin'ny sendikan'ny mpiasa,
👉 ny fampiharana ny mangarahara amin'ny fandraisana mpiasam-panjakana,
👉 ny fanomezan-danja ny teknisianina eo anivon'ny Minisitera,
👉 ny fametrahana ireo fotodrafitr'asa LTP sy CFP ary fampitaovana ho laharam-pahamehana. 

Nofaranan'Andriamatoa Minisitra tamin'ny fisaorana ny fitondram-panjakana ary indrindra ny antoko politika nipoirany ny fandraisam-pitenenana. 


#OloMahayRahaTsyVeryMandeha