Nanamafy ny fanekena nataon’ny andaniny sy ny ankilany ny fihaonana, izay manaporofo ny fahamatoran’ny fiaraha-miasa sy ny paikady maharitra napetraka.
Adidy fa tsy safidy ny fangaraharana, ary atao laharam-pahamehana ny fampitàna ny vokatry ny fiaraha miasa avy amin'ireo mpiara-miombon’antoka miaraka amin'ny METFP.
Famatsiam-bola mitentina 480 tapitrisa Ar, mpampiofana manana ny fahaiza-manao miisa 30, ary faritra 4 no hisitraka ny fampiofanana. Tanora maherin'ny 1000 amin'ny sala-taona 18 ka hatramin’ny 35 taona no ampiofanina ho vonona amin’ny asa sy ny seha-pihariana nomerika.
Ireo vokatra ireo no maneho ny fahavononan’ny METFP hanangana tetikasa ho an’ny rehetra sy ny tanora.

