Notanterahina tao amin’ny CFP Ampasampito ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny tetik’asa D-CLIC : fanofanana tanora 1 000, izay ny fiaraha-miasan’ny METFP sy ny « Organisation Internationale de la Francophonie »

Nitarika ny lanonana ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Dr Andriamampandry Todisoa Manampy, niaraka tamin’ny Masoivohon’ny OIF, Andriamatoa Traian Laurentiu HRISTEA, notronin’ ireo mpiara-miombon’antoka sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy ao amin’ny Ministera

Ny tanjona dia ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ny tanora amin’ny sehatr’asa nomerika sy hanatsarana ny fahafahany miditra avy hatrany amin’ny sehatry ny asa. 

Niatomboka androany arak’izany ny fiofanana eto Analamanga sy Vankinankaratra

#Olo_mahay_raha_tsy_very_mandeha