Nisy ny fitsidihana nataonโ€™ireo Minisitra telo mianadahy misahana ny sehatry ny Fampianarana tao aminโ€™ny LTP Toliara, notarihinโ€™Andriamatoa Andriamampandry Todisoa Manampy, notronin'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony, Andriamatoa Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda Vy, sy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Ramatoa Sendranirina Rajaonarison.

Nandritra izany dia nohamafisinโ€™izy ireo ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo aminโ€™ireo ministera telo aminโ€™ny fanatanterahana ny โ€œplan sectoriel de lโ€™รฉducationโ€, izay mikendry ny fanavaozana sy fanatsarana ny rafitra Fampianarana eto aminโ€™ny firenena.

Ho anโ€™ny LTP Toliara manokana dia hotohizana ny fampitaovana ireo fotodrafitrasa vaovao, anisanโ€™izany ny solosaina miisa 10 avy aminโ€™ny MNDPT, ho fanohanana ny fampianarana ara-teknika.

Momba ny fandraisana ho mpiasam-panjakana kosa dia hohamafisina ny fanaraha-maso mba hiantohana ny mangarahara sy ny fahitsiana. Raha misy tranga ahiahiana ho kolikoly dia hampiharina avy hatrany ny fandraisanโ€™andraikitra avy aminโ€™ny BIANCO sy ny Fitsarana. 

Raha ny tarehimarika, 590 ny postes budgรฉtaires taminโ€™ny 2023, ka 434 no efa eo ampelatananโ€™ny BIANCO. Ny ambiny sy ireo fanampiny taminโ€™ny 2025 (250 postes) sy 2026 (200 postes) dia ho ampiasaina avy hatrany.

#OloMahayRahaTsyVeryMandeha