MINISTERE DE L'ENSEIGNEMENT TECHNIQUE ET DE LA FORMATION PROFESSIONNELLE

"Olo mahay raha tsy very mandeha"

METFP

"Olo mahay raha tsy very mandeha"

𝗟𝗮𝗻𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗿𝗮𝘁𝗮𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗿𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 « 𝗠𝗮𝘀𝘁𝗲𝗿 𝟭 « 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 « 𝗠𝗲𝗻𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗦𝗼𝗰𝗶𝗼𝗹𝗼𝗴𝗶𝗲 »

𝗟𝗮𝗻𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗿𝗮𝘁𝗮𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗿𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 « 𝗠𝗮𝘀𝘁𝗲𝗿 𝟭 « 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 « 𝗠𝗲𝗻𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗦𝗼𝗰𝗶𝗼𝗹𝗼𝗴𝗶𝗲 »

Anisan’ny vina iombonan’ny sehatra telo — ny Fanabeazana, ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa, ary ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana ara-tsiansa — ny fanofanana tanora ho matihanina sy manana fahaiza-manao matanjaka, ho fanohanana ny fanavaozana sy ny fampandrosoana eto amin’ny firenena.

Nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Dr Andriamampandry Todisoa Manampy, izay mpampianatra mpikaroka sady efa Sojaben’ny Fakiolten’ny EGS teo aloha, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony avy amin’ny Minisitera.

Nandritra ny lanonana dia nizara “témoignages” sy traikefa momba ny lalana nodiaviny Andriamatoa Minisitra ary nanentana sy nampahery ireo mpianatra amin’ny fanohizana ny ezaka sy ny fikatsahana fahombiazana.

#OloMahayRahaTsyVeryMandeha