𝗹𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗵𝗮𝗺𝗲𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗟𝗧𝗣 𝘀𝘆 𝗖𝗙𝗣 
Raha vao nigadona teto an-tanindrazana ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Andriamatoa Tsilefa Antonio, dia nihazo avy hatrany an’i Toamasina hitsidika ireo ivon-toeram-panofanana LTP sy CFP voakasiky ny rivodoza “Gezani”, izay ny 𝟴𝟬% 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗱𝗿𝗮𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮𝘀𝗮 𝗱𝗶𝗮 𝘀𝗶𝗺𝗯𝗮 𝗮𝘃𝗼𝗸𝗼𝗮.
Naneho firaisam-po ho an’ireo mpampiofana sy tompon’andraikitra eny an-toerana ny Minisitra. Ho fanohanana ireo traboina dia 𝗻𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗺𝗶𝗻𝗶𝘀𝘁𝗲𝗿𝗮, ka nahitana vary sy voamaina ho an’ireo mpampiofana, mpandraharaha ary vacataires; “kits scolaires” ho an’ireo mpianatra ao amin'ny kilasy famaranana, ary 𝗻𝗮𝘁𝗼𝗹𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗘𝗧𝗙𝗣 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗕𝗡𝗚𝗥𝗖. (Vary sy tafo fanitso)
Nisy ihany koa ny dinidinika niarahana tamin’ireo mpiara-miasa rehetra teny an-toerana sy ny Préfet ao Toamasina, ka tapaka fa 𝗵𝗮𝘁𝗮𝗼 𝗻𝘆 𝗲𝘇𝗮𝗸𝗮 𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗶𝘃𝗲𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗵𝗲𝗿𝗶𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼, indrindra ireo kilasy famaranana. 
Nisaotra sy nankahery azy ireo manokana ny Minisitra. 
Izao fahatongavan'ny Ray aman-dreny avy amin'ny Minisitera foibe izao dia nanamaivana ny adi-tsaina sy nitondra erijika vaovao ho an'ireo mpiara miasa, mpampiofana sy ireo mpianatra eo anivon'ny Fampianarana Teknika ao Toamasina, mahatsapa misy mpiahy izy ireo. Ny entan-jaray tokoa mora zaka.
#OloMahayRahaTsyVeryMandeha