Nofaranana androany ny tetikasa BIOCOM Madagascar, notanterahin’ny UNESCO niaraka tamin’ny fanohanan’ny KOICA. Nisongadina ny fananganana ivon-toeram-piofanana tao Ranopiso sy Sambava ary ny fiofanana mifanaraka amin’ny filàn’ny faritra.
Ankoatra izany, nisy fiofanana fohy tamin’ny sehatra isan-karazany (couture, pâtisserie, informatika, asa tanana), izay nanamafy ny fahaiza-manaon’ny mpiofana sy nanokatra fahafahana ara-toekarena, sady nandray anjara tamin’ny fampihenana ny fiankinan-doha amin’ny harena voajanahary.
Nandritra ny lahateniny, Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa dia nanamafy fa mbola hotohizana sy hohamafisina ireo ezaka efa vita, ho fanohanana ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara.
#OloMahayRahaTsyVeryMandeha