MINISTERE DE L'ENSEIGNEMENT TECHNIQUE ET DE LA FORMATION PROFESSIONNELLE

"Olo mahay raha tsy very mandeha"

METFP

"Olo mahay raha tsy very mandeha"

𝗙𝗮𝗺𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗽𝗮𝗵𝗶𝗯𝗲𝗺𝗮𝘀𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘃𝗮𝗰𝗮𝘁𝗮𝗶𝗿𝗲𝘀

𝗙𝗮𝗺𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗽𝗮𝗵𝗶𝗯𝗲𝗺𝗮𝘀𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘃𝗮𝗰𝗮𝘁𝗮𝗶𝗿𝗲𝘀

Tontosa soa aman-tsara ny famaranana ny AMPAHIBEMASO ho fandraisana ireo vacataires ho mpiasam-panjakana eo anivon’ny METFP izay notarihin'i Dr. ANDRIAMAMPANDRY Todisoa Manampy, Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa. 

Vacataires miisa 250 izay efa niasa teo anivon’ny Ministera sy ireo toeram-pampianarana no voakasik’ity dingana ity, izay tanterahina amin’ny fomba mangarahara.

Nanomboka ny 11 Mey 2026, nitety ireo Fitaleavam-paritra 22 manerana ny Nosy ireo mpikambana ao amin’ny "commission de recrutement" sy ireo teknisianina, niaraka tamin’ny solon-tenan’ny BIANCO sy ireo tompon’andraikim-panjakana eny an-toerana, mba hiantohana ny fahitsiana nandritra ny ampahibemaso. Nandritra izany dia samy nanamarina ny mombamomba azy sy ny isa (points) azony araka ireo mason-tsivana napetraka ireo vacataires.

Ity famaranana eto Analamanga ity dia manamarika ny fiafaran’ny ampahibemaso nasionaly, sady manamafy ny finiavan’ny Minisitera hanohy ny fanavaozana sy ny fitantanana mangarahara amin’ny fandraisana mpiasam-panjakana.

#OloMahayRahaTsyVeryMandeha