MINISTERE DE L'ENSEIGNEMENT TECHNIQUE ET DE LA FORMATION PROFESSIONNELLE

"Olo mahay raha tsy very mandeha"

METFP

"Olo mahay raha tsy very mandeha"

Tolo-tanana ho an’ireo tra-boina any amin’ny Faritra Atsinanana

Tolo-tanana ho an’ireo tra-boina any amin’ny Faritra Atsinanana

Ho fanehoana firaisankina sy fanohanana ireo mpiray tanindrazana tra-boina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, dia nanatanteraka hetsika tolo-tanana ny Faritra Menabe.
Manoloana ny biraon’ny Prefektiora Morondava no nanaovana ny fanangonana ireo fanomezana avy amin’ny tsirairay.
Tonga nanatitra ny anjara birikiny tamin’izany ny solontena avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa Menabe, notarihin’Andriamatoa Tale-paritra, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny LTP Morondava sy ny CFPF Bemanonga.
Manentana ny olom-pirenena rehetra, na olon-tsotra na fikambanana, mba handray anjara amin’ity hetsika tolo-tanana ity ho fanohanana sy fanampiana ireo mpiray tanindrazana tra-boina.
#‎Olo_mahay_tsy_very_mandeha!

Loading…
Loading the web debug toolbar…
Attempt #