Natolotr'Andrimatoa Minisitra TSILEFA Antonio amin'ny fomba ofisialy ny tapakila fiondranana mankany Algérie ho azy 18 mianadahy, mpianatra mendrika tamin'ny bakalorea 2024 sy 2025. Tontosa izao vokatry ny ezaka nataon'ny fitondram-panjakana hiantohana ny saran-dalana sy ny "frais d'installation" an'ireo tanora ireo.
Avy amin'ny LTP manerana ny Faritra 23 izy ireo (3 vavy sy 15 lahy) ary hanainga ny 19 Febroary 2026.
Haharitra roa taona sy enim-bolana ny fiofanana ka ahazoana ny diplaoma "Technicien spécialisé", amin'ny sampam-piofanana: "BTP", "Informatique et gestion", "Mécanique automobile", "Agent commercial", "Maintenance industrielle" ary "Électrotechnique".

