Tonga nitsidika an'Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa, Andriamatoa TSILEFA Antonio ny Masoivohon'i Korea, Ramatoa Park Ji-hyun.
Niompana tamin'ny teboka telo mazava ny fihaonana. Voalohany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena malagasy sy ny firenena koreana. Manaraka izay dia niresaka ny fomba hampiharana ny modely koreana amin'ny ady amin'ny tsy fananana asa eto Madagasikara. Ary farany, ny hisian'ny fidinana ifotony eny anivon'ireo ivon-toeram-panofanana eto Antananarivo. Mandritra izany no hamaritana ireo filàna ka handrafetana fiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta.

