Tao amin’ny efitrano lehiben’ny Kaomina Nosy Be no nihaonan-dRamatoa Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, tamin’ireo fikambanan’ny mpanao asa-tanana, ny tanora ary ny vehivavy ary ny Chambre de Commerce. Ny zoma 17 septambra 2021 no nanatanterahana izany niaraka tamin’ireo manam-pahefana tao an-toerana. رهان مباشر
Nifantoka indrindra tamin’ny fampananan’asa ny tafa sy dinika ary nisongadina tao ihany ny fenitra arahina raha hanokatra ivontoeram-panofanana. Namerina nampahafantatra ireo fenitra sy toro-lalana ny Talem-paritry ny ETFP Diana, ary nanome toky fa maimaimpoana ny fangatahana fanokafana sy fahazoan-dalana hampiofana.
Nasian-dRamatoa Ministra tsindrim-peo manokana ny fanofanana arak’asan’ireo tanora izay tokony hifanaraka amin’ny filan’ny faritra mba hanamora ny fampananan’asa . افضل كازينو اون لاين Amin’ny maha tanànan’ny fizahantany an’i Nosy Be dia ny asa manodidina izany sy ny asa tanana no tena mahasarika ny tanora. استراتيجية الروليت
Hetahetan’ireo mpandray anjara, ny fanofanana fohy ezaka, hoenti-manatsara ny asa mahavelon-tena, indrindra ny fameranana indray ireo tanora nivoaka ny fonja eo anivon’ny fiaraha-monina, amin’ny alalan’ny fisitrahana fiofanana sy asa mendrika. Resy lahatra ny rehetra fa antoky ny fampandrosoana ny fanofanana arak’asa.
« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
©️SCOM METFP/Septembre 2021