Fanofanana faobe ao amin’ny faritra Vakinankaratra

Fanofanana faobe ao amin’ny faritra Vakinankaratra

Fanofanana faobe ao amin’ny faritra Vakinankaratra

🔴 Tanora miisa 150 ao amin’ny faritra Vakinankaratra no hisitraka fanofanana faobe amin’ny famokarana akora mifototra amin’ny simenitra ary ny simenitra, araka ny fifanaraham-piaraha-miaisa nosoniavina androany faha 16 aprily 2024, teo amin’ny Ministeran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa ary ny vondrona Alpha Ciment.

🔴 Araka ny voasoratra ao anaty fifanarahana nosoniavin-dRamatoa Minisitra, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, andaniny, sy Dominique BILLON, ankilany, dia hisy ny fanofanana ny mpampiofana miisa 15 amin’ny famokarana akora mifototra amin’ny simenitra ary ny simenitra, ny fanofanana mpanao asa-tanana miisa 15 izay hanamboatra ireo “machines manuelles multifonctions” izay atao ao amin’ny CFP Antsirabe.

🔴 Aorian’ireo dia hirosoana avy hatrany ny fanofanana ireo tanora, ka hizara sokajy dimy ahitana olona miisa 30 avy izy ireo, ary hanaraka fiofanana amin’ny fanamboarana akora mifototra amin’ny simenitra toy ny “briques en terre compressée” na koa ny rafitra vita amin’ny volotsangana (structures en bamboo). Ahazo tombony amin’izany ireo tanora avy ao Ibity, Andranomanelatra ary Tritriva, izay toerana hanaovana ity fanofanana faobe. Amin’ny faha 8 jiona 2024 no ho vita ny fiofan’izy ireo. Aorian’izay dia horaisina hiasa avy hatrany ireo tanora ireo.

🔴 Anisan’ny voafaritra ao anatin’ity fifanaraham-piaraha-miasa vao nosoniavina ity fa ny Alpha Ciment no miantoka ny fanataterahana ny fampiofanana ary ny ministera dia hampiditra ity « référentiel » volavoalaina miaraka amin’ity orinasa ity ao anatin’ny rafi-mpampianarany. Ny tanjona amin’izany dia ny famoronana asa ho an’ny tanora, amin’ny alalan’ny fanomezana fampiofanana mifanaraka amin’ny filan’ny tsenan’ny asa.”Olo mahay raha, tsy very mandeha”

Lalatiana Rakotondrazafy

Alpha Ciment S.A

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle