🔴 Miompana amin’ny asa mahaleotena mifandraika amin’ny tontolon’ny aterineto “Freelancing web” ny fanofanana faobe mikasika “Métiers du web”, karakarain’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy Fanofanana arak’asa, izay natomboka androany zoma 22 martsa 2024 tao Antsirabe, ary nosokafan-dRamatoa minisitra, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, tamin’ny fomba ofisaly tany an-toerana.
🔴 Asa tanterahina any an-trano amin’ny alalan’ny teknolojian’ny fampitain-davitra (télé-travail) ary miompana amin’ny asa manodidina ny tontolon’ny aterineto ny Freelancing web. Tsy voatery ho asa an-tselika fotsiny fa asa fivelomana feno, mari-toerana, ary azo arindra araka ny fandraharam-potoana izy io. Na ireo tsy nahavita fianarana na ireo avara-pianarana dia samy afaka mivelona tsara aminy.
🔴 Mivelatra amin’ny sehatr’asa tsy latsaky ny 80 isa ny asa manodidina ny tontolon’ny aterineto. Ny fanofanana atao ao Antsirabe, izay haharitra herinandro, dia hiompana manokana ao anatin’ny métier administratif du web ( télésecrétariats, assistanat virtuel, gestion et traitement de données numériques) sy ny métier créatifs du web ( graphisme et éditoriale : rédaction web, communication, infographie).
🔴 Betsaka ny tanora ao Antsirabe ary efa miroborobo ny asa mifandraika amin’ny aterineto ankehitriny. Heverina araka izany fa hitondra fampivoarana lehibe amin’ny fiainan’ireo tanora miisa 200 manaraka fiofanana, ary ny toekarenan’ny faritra Vakinankaratra avy hatrany izao fiofanana izao satria ahafahan’ireo tanora ireo miditra avy hatrany amin’ny sehatry ny asa, na manamafy sy manatsara ny fahalalany sy ny traikefany, ny fanofanana.
🔴 Zava-dehibe amin’ny tontolon’ny asa mifandraika amin’ny aterineto ny fanofanana toy izao, ary heverin’ireo mpisehatra fa hitondra rivo-baovao ho amin’ny fampananan’asa, manaraka ny fivoarana ara-teknolojika, ny tanora. Ankilany, mahatsapa ny mpampiofana fa “hanokatra tanteraka ny fahafahan’ny Malagasy mandingana ireo varavarana eo amin’ny sehatry ny asa iraisam-pirenena” izao.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”











